<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Rainay ô, Mpamorona !
 Jeso ô, Mpanavotra,
 Ary ny Mpananatra :
 Mihainoa, ry Tompo !

[V2]
 Hianao no foto-tsoa
 Sy harem-panahy koa,
 Handrosoanay tokoa :
 Mihainoa, ry Tompo !

[V3]
 Be ny heloka natao,
 Be ny famindramponao,
 Mamelà anay izao :
 Mihainoa ry Tompo !

[V4]
 Malahelo izahay,
 Fa maditra hatrizay,
 Aza mba mandao anay :
 Mihainoa ry Tompo !

[V5]
 Mba diovy ny fonay,
 Hatanjaho ny sainay,
 Ahitsio ny dianay :
 Mihainoa, ry Tompo !

[V6]
 Be tokoa ny indrafo
 Izay naseho ho anay,
 Tena latsaka ao am-po :
 Mihainoa, ry Tompo !

[V7]
 Eny, famonjena re,
 Hahitanay aim-be,
 No efa vitanao tetý :
 Mihainoa, ry Tompo !

[V8]
 Aina, hery, andro koa
 No atolotray tokoa,
 Mba hahaizanay ny soa :
 Mihainoa, ry Tompo !

[V9]
 Ho Anao tsy tapitra
 Haja, dera, saotra koa
 Ho Anao mandrakizay :
 Mihainoa, ry Tompo !
 oOo</lyrics>
<title>Rainay ô, Mpamorona ! FFPM819</title>
<hymn_number>819</hymn_number>
</song>